Fihaonambem-paritra itasy:Anisan’ny hitondra amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Taninketsa Indostrialy

Niavaka ny fandraisan’anjaran’ny DRICC Itasy tamin’ny fihaonambem-paritra ho fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny seha-pamokarana iantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Tao amin’ny Tranompokonolona ao Miarinarivo ny 27 Mey 2022 no nanambaran’ny Fitaleavam-paritra mazava tsara fa anisan’ny paik’ady hitondra sy hiantoka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Natao hamokaran’ny tanàna, amin’ny fomba matihanina, ny vokatra hivelomany mivantana ary hampiavaka azy ny Taninketsa Indostrialy. Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny #Velirano 9 ny fandaharan’asan’ny MICC momba ny fametrahana Taninketsa Indostrialy isam-paritra, hatrany amin’ny distrika sy kaominina.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...