Fihaonana an-tampony eo amin’i etazonia sy afrika: Andrasana fatratra ny laha-dinika momba ny AGOA

Eo amin’ny lafiny toekarena dia tsindrian-daona fatratra ny ankilany, tany afrikana, amin’izao fihaonana amin’i Etazonia izao raha ny momba ny AGOA. Io moa ilay Lalàna nolanian’ny Amerikana tamin’ny taona 2000 ka nanamorany ny fidiran’ny entana avy aty Afrika any Etazonia.
Avaozina isan-taona, araka izany, ny lisitr’ireo tany afrikana mahazo tombontsoa amin’ny AGOA. Maherin’ny 1800 karazana ireo vokatra afrikana no afaka misitraka fampihenana haba amin’ny fanafaran-dry zareo Amerikana azy.
Hisy ny fivoriana momba ny AGOA karakarain’ny Solontena amerikana ao amin’ny Varotra, Katherine Tai, andraisan’ireo Minisitra misahana ny Varotra anjara amin’izao fihaonana any Washington DC nanomboka omaly Talata 13 Desambra 2022 izao. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’io ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Sary Fanehoana

Vous aimerez aussi...