Fihaonana an-tampony eo amin’i etazonia sy afrika: Anisan’ny ho voaresaka any Washington ny fandraharahana ara-pambolena sy ny varotra

Hanomboka anio Talata 13 Desambra 2022 any Washington DC ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy ireo mpitondra afrikana. Telo andro hijerena ny fiaraha-miasan’ny firenena amerikana sy ireo tany afrikana eo amin’ny sehatra samihafa toy toetrandro, ny fifandraisana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana, ny fandraharahana ara-pambolena sy ny varotra.
Anatin’ny delegasiona malagasy tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mandray anjara amin’ny fihaonana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana Richard Rakotonirina, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy ary ny Minisitry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriantongarivo.
Ho an’i Madagasikara manokana, ny tanjona dia ny hanamafisana ireo fiaraha-miasa stratejika mba hanatrarana ireo fanamby eo amin’ny lafin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro. Eo ihany koa ireo fihaonana manokana ho tanterahin’ny Filoham-pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay hifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny PEM.
Sary fanehoana

Vous aimerez aussi...