Fihaonana tamin’ny filoha Amerikanina Joe Biden: 14 desambra 2022, Washington DC
Nihaona manokana tamin’ny Filoha amerikanina, Joe Biden, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 14 desambra 2022 tao amin’ny Maison Blanche, Washington DC, mialoha ny fivorian’ireo Filoha sy mpitarika afrikanina izay hiatrika fifidianana.
Naneho ny fanirian’i Etazonia hanohana ireo firenena afrikanina, anisan’izany i Madagasikara, ny Filoha Biden, amin’ny fanamafisana ny dingana demokratika. “Tsy afaka miasa tsara ny demokrasia raha tsy misy ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny vahoaka amin’ny alalan’ny fahazoana fanabeazana, tolotra ara-pahasalamana sy ny fitomboana ara-toekarena eo amin’ny firenena. Izay indrindra no tian’i Etazonia hanohanana ny toekaren’i Afrika”, hoy ny filoha amerikanina.
Notsipihan’ny Filoha Andry Rajoelina fa misokatra amin’i Etazonia ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana an’i Afrika ary mila fitoniana sy filaminana ny kaontinanta afrikanina hoy izy