Fihaonana teo amin’ny minisitra edgard razafindravahy sy ny mpiandraiki-draharaha sinoa: Mandavaka ny tsena sinoa ny lavanila malagasy

Taorian’ny Ambasadaoron’i Turquie dia ny Mpiandraiki-draharahan’ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara Zhang Wei sy ny ekipany indray no noraisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy androany 06 Janoary 2023. Ny lavanila malagasy izay manana ny lazany maneran-tany no resaka.

« Izahay (Madagasikara) no mpamokatra lehibe indrindra sady voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana lavanila, nahoana i Chine no tsy manafatra lavanila avy aty aminay ? », hoy ny Minisitra tamin’ny delegasiona sinoa. Indrindra moa fa efa manana Fifanekem-piaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena izay fitaovana azo ampiasaina tsara hampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy varotra eo amin’ny tany roa tonta i Madagasikara sy i Chine. Hahamarina kokoa ny fifandanjana ara-barotra eo amin’ny tany roa tonta ny fanondranan’i Madagasikara lavanila mankany Chine.

Naneho ny fahagagany amin’ny tsy fisian’ny mpandraharaha ara-toekarena sinoa eo amin’ny sehatry ny lavanila koa ny Mpiandraiki-draharahan’ny masoivohon’i Chine. Misy ihany ny lavanila miondrana any Chine fa tsy betsaka.

Nampanantena moa ity diplomaty sinoa ity fa hifandray amin’ireo mpandraharaha sinoa momba ny lavanila malagasy. Nanentana koa izy amin’ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny foara lehibe sy fampirantiana iraisam-pirenena any Chine toy ny any Canton sy Shanghai. Eo koa ny andiany faha-3 amin’ny fihaonana eo amin’i Chine sy Afrika (rencontre sino-africaina) ka ho vahiny nasaina manokana amin’izany i Madagasikara amin’ity taona ity.

Ny Minisitra Edgard Razafindravahy moa dia mirona kokoa amin’ny fifanatrehana amin’ireo mpandraharaha kendrena hiara-hiasa amin’ny sehatry ny lavanila. “Afaka mijery tanan-dehibe sinoa isika hanaovana ny fampahafantarana”, hoy izy, toy izay efa natao tany Paris sy Washington.

Vous aimerez aussi...