fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto anivon’ny ranomasimbe indiana (EFOI)

Antsirabe no nofidian’ireo Vehivavy mpandraharaha anaovana ny hetsika anamarihana ny herinandron’ny fandraharahana
Nisokatra ny 01 Desambra 2022 tao Antsirabe ny fanamarihana ny  » Herinandron’ny Fandraharahana ». Hetsika hateloana izay karakarain’ny « EFOI » izay ikambanan’ireo Vehivavy Mpandraharaha eto anivon’ny ranomasim-be indiana.
Mandray anjara mavitrika amin’izany ny DRICC Vakinankaratra amin’ny alalan’ny fitazonana trano heva. Anisan’ireo nitondra famelabelarana koa izy ny Alakamisy folakandro nandritra ny ady hevitra momba ny  » Fandraharahana amin’ny sehatra Ambanivohitra ».
Ary satria moa anisan’ny ministera mpiahy izao hetsika izao ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) dia nanana anjara fitenenana nandritra ny lanonam-panokafana ny DRICC Vakinankaratra. Nanotrona izany ny tompon’andraikitra maro samihafa any Vakinankaratra sy ny Filoham-boninahitra nasionalin’ny EFOI.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...