FIM andiany faha 15
Ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity dia fotoana ahitana hetsika ara-toe-karena sy ara-barotra maro samihafa. Fotoana izay hanehoana ny finiavana hiarahana miasa ho fanatsarana ny tontolo manodidina ny fandraharahana.
“Je suis l’émergence, je suis innovant, je suis la solution”, ny lohahevitra ho amin’ity andiany faha-15 ny hetsika FIM ity izay tanterahina ny 14 hatramin’ny 17 May ho avy izao. Sehatra iray hahafahana mampisongadina ny fisandratana ara-toekarena sy ara-barotra ; hahafahana mifanakalo amin’ny alalan’ny B to G, B to B ary ny B to C.