FIM andiany faha-16:Nanamafy ny fahavonon’ny MICC hanampy ny sehatra tsy miankina ny Minisitra Edgard Razafindravahy

« Asehonareo amin’izao hetsika ara-toekarena lehibe izao fa vonona ianareo hiatrika ny fanarenana », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany nanoloana ny mpikarakara sy ny mpandray anjara, raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-16 amin’ny Foara iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM) izy. Navoitrany tamin’izany ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) manokana amin’ny fijerena sy fanampiana ny sehatra tsy miankina. Natomboka ny Dinika niarahan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina nikatsahana vahaolana amin’ireo toe-javatra mampihisatra ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola toy ny olana ara-angovo, ny famatsiam-bola, ny ady amin’ny kolikoly, lafiny lalàna.
« Tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara ny fananganana indostria manomboka eny ifotony », hoy ihany ny Minisitra entina hilazana fa mahatratra 75 ny ozinina hapetraka any amin’ny toerana samihafa manerana an’i Madagasikara ato ho ato. Hanodina ny vokatra mampalaza ny faritra ho lasa entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro anatin’ilay Tetik’asa Taninketsa Indostrialy izy ireo.
Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny #Velirano 7 sy #Velirano 9 momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo moa izany rehetra izany.
Haharitra efatra andro ny FIM andiany faha-16 eny amin’ny Forello Tanjombato ka tsy hifarana raha tsy ny Alahady 22 Mey 2022 ho avy izao. Anatin’ireo tranoeva 165 hita eny an-toerana ny an’ny MICC.

Vous aimerez aussi...