Firosoana amin’ny famerana ny vidin’entana ilaina andavanan’andro sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina

Hiroso avy hatrany amin’ny famerana ny vidin’ny PPN sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina ny Fanjakana taorian’ny dinika nifanaovan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ireo mpisehatra ara-barotra voakasika rehetra. Nambara tamin’ny fomba ofisialy androany 05 avrily 2022 ny vidy farany ambony amin’ny PPN eto Antananarivo sy ny Faritra Analamanga. Ho fantatra tsy ho ela koa ny vidin’entana farany ambony ho an’ireo faritra hafa.
“Manentana ireo mpanjifa ilaza ety anivon’ny MICC raha toa mahita tsy fanajana ny vidin’entana efa nifanarahana”, hoy ny Minisitra androany.

Vous aimerez aussi...