Fisokafan’ny taom-piotazana sy fanondranana: Voahaja ny vidy 1300 Ar andraisan’ny orinasa mpanondrana ny letisia 1 kilao. Sarotiny amin’ny kalitao ny orinasa mpanondrana.
Nanaja ny fepetra nifanarahana ka nandray ny letisia avy amin’ny mpamokatra amin’ny vidiny 1300 Ar ny iray kilao ireo orinasa mpanondrana. Nisy aza ny nividy 1350 Ar. Tsapa koa fa hentitra ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra ataon’ireo orinasa mpanondrana ireo mba ahazoana ny kalitao takian’ny tsena. Maro amin’ireo koperativan’ny mpamboly letisia no mivarotra mivantana amin’ireo mpanondrana ireo.
Manara-maso ny fandrindrana sy ny fandaminana ny tsenan’ny letisia moa mandritra izany rehetra izany ny komitim-paritra izay ahitana ny avy amin’ny Faritra, ny DRICC ary ireo mpitandro ny filaminana. Nojerena voalohany tamin’izany ny teo anivon’ireo orinasa mpanondrana letisia. Nitohy hatreny ambonin’ny sambo izany fitsirihana izany.
Tao Antananambo amin’ny Lalam-pirenena RN 2 no nanamarihana ny fisokafan’ny taom-piotazana sy fanondranana letisia ho an’ny Faritra Atsinanana omaly Talata 22 Novambra 2022. Nitarika sy nanotrona izany ireo manampahefana any an-toerana.
Sary DRICC