Fitaleavam-paritra (DRICC) Atsimo andrefana: Tanteraka omaly koa ny famindram-pitondrana teo amin’ny Talem-paritra teo aloha sy ny vaovao

Tam-piralahiana no nanatontosana ny famindran-draharaha teo amin’ny Talem-paritra (DRICC) teo aloha Heriniaina Roland Rakotosolofo sy ny mpandimby toerana Séraphin Tovonjatovo omaly Zoma 21 Oktobra 2022 tany Toliara. Tonga nanatrika izany tao amin’ny trano fivorian’ny Antenimeran’ny varotra sy Indostria ny Prefen’i Toliara, ny Ben’ny Tanana Toliara I, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ampanihy Andrefana sy ireo Talem-paritra sy iraisam-paritra samihafa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...