Fitaleavam-paritra(DRICC): Nandray ny asany ny Talem-paritra vaovao any Sofia

Analamanga, Matsiatra Ambony, Itasy, Menabe, Atsimo Andrefana…Sofia no DRICC faha-6 nahavita ny famindram-pitondrana teo amin’ireo Talem-paritra teo aloha sy ny vaovao vao voatendry. Nandray ny asany tamin’ny Zoma 21 Oktobra 2022 lasa teo ny Talem-paritra Elie Wilfried Jaobory.
Natrehin’ny Sekretera jeneralin’ny faritra Sofia sy ny Talem-paritra isan-tsokajiny ary ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny DRICC ny famindran-draharaha tamin’ny fomba ofisialy tamin’io Zoma io. Nitondra teny fisaorana ny mpikambana ao amin’ny Staff Minisitera ny Talem-paritra teo aloha tamin’ny fiaraha-miasa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...