Fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny indostra, ny varotra sy ny fanjifana

Famindran-draharaha roa sosona no notanterahina teny anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ny vaninandron’ny omaly 19 Oktobra 2022. Tany Miarinarivo dia nandray ny asany ny Talem-paritra vaovao any Itasy, Ianja Ulric Salomon Ramiandrasoa. Toy izany koa ny tany Morondava izay nanolorana ny fitondran-draharaha tamin’ny Talem-paritra vao voatendry Noêl Bienvenue Rabibisoa.
Nanatrika ny fotoana ny manampahefana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana, indrindra fa ireo talem-paritra avy amin’ny minisitera samihafa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...