Fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana:Nandray ny asany ny Talem-paritra (DRICC) vaovao any Matsiatra Ambony
Tamim-piralahiana no nanatanterahana ny famindran-draharaha teo amin’ireo Talem-paritra mifandimby omaly Alarobia 17 Oktobra 2022 tany Matsiatra Ambony. Voatendry ho amin’izany andraikitra izany moa Andriamatoa Hyancithe Ratsizafy izay Inspektera indostrialy. Namarana ny asany kosa ny Talem-paritra teo aloha Rufin Zafimihary.
Nanatrika famindran-draharaha ny Prefen’i Fianarantsoa, ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ireo talem-paritra sy lehiben’ny sampan-draharaha isan-tokony.
Sary DRICC