Fitokanana ny ozinina mpamokatra lafarinina LMOI Toamasina

Fanamby napetraky ny fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny indostria malagasy hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Notokanana ny 18 novambra 2020 ny ozinina mpamokatra lafarinina LMOI eto Toamasina. Mamokatra lafarinina 500 taonina isan’andro ankehitriny ary tanjona ny hampiakatra izany ho 1200 taonina isan’andro amin’ny 2021. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany fa tokony ho vokarina eto Madagasikara hatrany ireo zavatra rehetra ilain’ny vahoaka Malagasy. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana ity ozinina ity satria hihena 15% ny vidin’ny lafarina noho ny famokarana eto an-toerana no sady hihatsara ny kalitao.
Ozinina efatra izao no nisokatra tao anatin’ny herintaona ary ho avo roa henin’izany ny tanjona amin’ny 2021.

Vous aimerez aussi...