Fitsidihana orinasa niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpiaron’ny mpanjifa: Nitsidika ny orinasa HITA Toamasina ireo fikambanan’ny mpiaron’ny mpanjifa sy ny delegasion’ny Minisitera notarihan’ny Talem-paritra Atsinanana, Belalahy Jean Berchmans.
Nisitraka ny fanazavana ny lalana lalovan’ny menaka mbola tsy voakarakara (huile brute) nafarana avy any ivelany hatramin’ny dingana fanadiovana izany ho lasa menaka azo hohanina (huile raffinée) nentin’ny Tale Jeneralin’ny orinasa HITA, Handrisoa Razafindrazaka, ireo delegasiona. Tafiditra anatin’ny zo hananan’ny mpanjifa moa ny fisitrahana fahalalana mikasika ny entana jifainy ao anatin’ny fangaharahana tanteraka.
Nahaliana azy ireo hatrany ny fanazavana sy fahalalana bebe kokoa ny mikasika ny vokatra vokarin’ny orinasa HITA. Orinasa izay marihana fa mamokatra menaka efa voakarakara manodidina ny 800T isan’andro ary mamatsy ny menaka eto an-toerana amin’izao fotoana izao.