Fitsinjovana ny mpanjifa: Leviora 1560 fonosana sy fanatsarana (améliorant) 91 fonosana samy lany daty no nodorana teny Ampitatafika

Tamin’iny herinandro lasa iny no nanaovana ny fandorana ireo entana ireo ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa. Tsy maintsy potehina mantsy ny entana lany daty fa tsy azo varotana sy ampiasaina intsony.
Etsy ankilany dia mitohy hatrany ny fisafoana ny tsena ataon’ny ekipan’ny DPC. Anisan’ireo toerana nandalovany tato anatin’ny roa herinandro izao ny teny Andoharanofotsy, ny tsenan’i Soamanatombo, ny tsenan’Anosibe, Tsimbazaza, Manankambahiny ary Isotry.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...