Fitsinjovana ny mpanjifa: Vaky ny ady amin’ny fiparitahan’ny fanafody tsy ara-dalàna

Tsy maintsy fongorina ny fanafody hosoka, ratsy kalitao ary tsy ara-dalàna. Atrikasa handrafetana ny sori-dalana hiasan’ny rafitra mpanara-maso manokana hisahana izany ady amin’ny fanafody mampidi-doza izany no notanterahana tao amin’ny Hôtel des Thermes Antsirabe ny 6 sy 7 Desambra 2022. Tompon’antoka tamin’izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary nahitana ny fandraisan’anjaran’ny Minisitera samihafa. Anisan’ireny ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izay nosoloin’ny DPC tena. Tanjony ny hisitrahan’ny mpanjifa fanafody tsara kalitao sy manara-penitra.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...