Fitsinjovana ny mpanjifa : vary 60 Taonina no naparitaka tamin’ny fokontany 54 eto Antananarivo omaly

Mpivarotra 194 any amin’ny fokontany 54 eto an-drenivohitra no nanaterana ireo Vary Tsinjo 60 Taonina omaly Talata 10 Janoary 2023. Amidy amin’ny 650 Ar moa ny iray kapoaka amin’ity vary ity.
“Ezahana ny hanaparitahana ny vary amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy. Mba hampifandanja ny tolotra sy ny tinady ka hahamarin-toerana ny vidim-bary no tanjona amin’izany”, hoy ny Tale jeneralin’ny Varotra sy Fanjifana (DGCC), Isidore Razanakoto.
Ampy hiatrehana ny maitso ahitra ny vary nohafarana. Ny sahanin’ny Minisitera (MICC) sy ny SPM (State procurement of Madagascar) dia ny fampitomboana ny asa fitsinjarana azy ireny ho tonga any amin’ny mpanjifa. “Mitobaka ny vary nohafarana amin’izao fotoana izao ialana amin’ny tsy fisian’ny vary sy ny fanararaotana samihafa”, hoy ihany ny DGCC.
Sary fanehoana

Vous aimerez aussi...