Vaovaon’ny faritra : Fivoriana DRICA Bongolava

aovaon’ny faritra : Bongolava Nisy ny fivoriana nokarakarain’ny Talem-paritry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana (DRICA) Bongolava tany amin’ny Prefektioran’ny Tsiroanomandidy ny 16 janoary lasa teo niaraka tamin’ireo manam-pahefana tao amin’ny faritra toa ny ben’ny tanàna vaovao voafidy, ny Lehiben’ny Distrika, ny solombavam-bahoakan’ny Distrikan’i Fenoarivobe. Ity fihaonana ity dia tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana mba hametrahana ny fikambanan’ireo teknisianina DRICA mba hanatsarana ny rafitry ny kooperativa momba ny fambolena sy ny asa tanana, hampiroborobo ny fahampiana ara-tsakafo amin’ny alàlan’ny fanaraha-maso ireo tahiry eto an-toerana ary hanatontosa fanaraha-maso ara-teknika amin’ny lafiny metrolojia ara-dalàna mandritra ny vanim-potoanan’ny fanangonam-bary sy katsaka.

Vous aimerez aussi...