Fivoriana fakan-kevitra niaraka tamin’ireo mpiantsehatra marolafy

Sabotsy 9 jolay 2022, Lapam-panjakana Iavoloha.
Nitarika fivoriana fakan-kevitra niaraka tamin’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ireo teknisianina, ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny maraina teo, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Votoatin’izany fivoriana izany ny fifampidinihina miaraka, mikasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay tsy maintsy hirosoana.
Nohamafisin’ny Filoham-pirenena nandritra ny lahateny izay nataony fa manoloana ny zava-misy maneran-tany dia tsy azo ihodivirana ny fampiakarana izany vidin-tsolika izany. Manao ny ezaka rehetra kosa anefa ny Fitondram-panjakana, hoy hatrany izy, mba ho ara-drariny izany fiakarana izany mba hitsinjovana hatrany ny vahoaka Malagasy.
Noho izany indrindra no atom-pisian’izao fihaonana miaraka amin’ireto mpisehatra marolafy ireto izao, izay mitana anjara toerana lehibe ihany koa amin’ny fampiodinana ny toekarena ka rariny raha henoina ny hevitr’izy ireo mialohan’ny handraisana ny fanapahan-kevitra amin’ny fampiakarana izany vidin-tsolika izany.

Vous aimerez aussi...