Fivoriana MICA-mpanafatra-mpivarotra ambongadiny
Taorian’ireo fidinana maro samihafa notanterahin’ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana manerana ny tsenan’Antananarivo, teo ambanin’ny fitarihan’ny Sekretera Jeneraly, niaraka tamin’ny Tale Jeneraly misahana ny varotra ary ny Tale misahana ny tsena anatiny sy ireo mpiara-miasa aminy, dia tontosa ny fivoriana izay niarahana tamin’ireo mpanafatra sy mpivarotra ambongadiny ireo entana ilaina andavanandro eto amin’ny faritra Analamanga. Ny tanjon’ity fivoriana ity dia ny fampahafantarana sy fampahatsiahivana an’ireo mpandraharaha ny adidy mifandraika amin’ny sehatra ara-barotra ary fanentanana azy ireo ihany koa momba ny politikan’ny minisitera amin’ny fitsinjarana ireo entana ilaina andavanandro sy ny fandaminana ny tsena anatiny eto Madagasikara. Ny vinan’ny MICA dia mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fifaninanana madio sy mangarahara ny fiarovana ny mpanjifa, fandaminana vina izay nohazavaina tamin’ireo mpandraharaha hahafahana mamerina indray ny lamina ho amin’ny fanarenana ny lalam-barotra na ny fitsinjarana eo amin’ny fanafarana entana avy any ivelany na ny eto an-toerana ahondrana. Ny fifehezana ny fangaraharana sy ny fanaraha-maso ny vokatra dia iray amin’ny laharam-pahamehana, satria mifehy ny fiakaran’ny vidiny eny amin’ny mpanjifa, izay tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fanavaozana ny sehatra izay tsy manaram-penitra sy ireo mpanelanelana ara- barotra izay manitatra ny fizotran’ny lalam-barotra na ny fitsinjarana.