Fivoriana tany Toamasina momba ny entana ilaina maika

Vaovaon’ny faritra : Toamasina Tao aorian’ny fidinana teny amin’ny tsenan’i Toamasina dia nampiantso fivoriana fampahalalana sy fanentanana mikasika ny lalàna sy ny fomba fiasa ara-barotra niaraka tamin’ireo mpanafatra entana avy any ivelany / mpivarotra ambongadiny sy ireo tompon’andraikitra eo amin’ny tsena ny teo anivon’ny MICA. Nampatsiahivan’Atoa SG hatrany nandritra ny fihaonana ny tsy fandeferan’ny minisitera mikasika ny fomba fiasa ara-barotra tsy ara-drariny, ny filàna tombony, ny fihazonana entana ary indrindra ireo izay manararaotra ny zava-misy ankehitriny hampiakarana ny vidin’ny entana ilaina maika eny an-tsena. Ny tanjon’ity fivoriana ity dia ny hanentanana ireo mpandraharaha momba ny fomba fijerin’ny MICA eo amin’ny fandaminana ny fitsinjarana ny entana sy ny fanajana ny rafitry ny fanaovana ny taratasy filazam-bidy ary koa ny fametrahana fiaraha-miasa eo amin’ny DRICA sy ny mpandraharaha ara-barotra eny an-toerana. Hitohy hatrany ny fifanakalozana eo amin’ny DRICA sy ireo mpanafatra entana avy any ivelany, ny mpivarotra ambongadiny ary ireo tompon’andraikitra eo amin’ny tsena ho fanaraha-maso ny fomba fiasa ara-barotra any Toamasina.

Vous aimerez aussi...