Foara ara-toekarena sy ara-barotra “Toam’Ketrika”: Ambohipihaonan’ireo orinasa, mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka i Toamasina

Mahatratra 200 ireo orinasa mandray anjara amin’ny “TOAM’KETRIKA” andiany faha-3. Foara ara-toekarena sy ara-barotra nosokafana omaly 01 Desambra 2022 tany Toamasina ka haharitra telo andro. Hita ao avokoa ireo orinasa lehibe sy salantsalany ary ny madinika indrindra misy ao Toamasina. Toy izany koa na ny banky, mpandraharaha mpanondrana na mpanafatra entana ary ny mpanodina vokatra.
Loahevitry ny hetsika amin’ity andiany faha-3 ity ny hoe: “Manampy sy manohana ny fandraharahana: Ilaina ny fiaraha-miasa”.
Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny foara koa ny MICC amin’ny alalan’ny DRICC sy CCIT ka notoloran’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana fisaorana ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny fanohanana ny hetsika.
Manana trano heva ao amin’ny TOAM’KETRIKA ny DRICC Atsinanana ampirantiany ny asa ataony ary misy kaoperativa notohanany miaraka aminy amin’izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...