Foaran’ny fambolena sy indostria:Natao loa-bary an-dasy nandritra ny kaoferansa tao Tsiroanomandidy ny momba ny Taninketsa Indostrialy.
Ny DRICC Bongolava no nisantatra ny kaoferansa tontosaina isan’andro mandritra ny Foaran’ny fambolena sy indostria izay nosokafana omaly Alakamisy 26 Mey 2022 tao Tsiroanomandidy. Nitondrana fanazavana bebe kokoa tamin’izany ny Taninketsa Indostrialy, ny fananganana sy fampiroboroboana kaoperativa, ny fomba ifehezan’ny minisitera ny vidin-javatra. Nanohy ny famelabelarana moa taorian’izany ny ANMCC (Manamahefa-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra), OMAPI (Ivon-toerana malagasy momba ny fizaka-manana ara-tsaina) ary ny CMCS (Foibe malagasy momba ny fary sy ny siramamy).
Natolotra an’ireo kaoperativa miisa 9 natsangan’ny DRICC koa ny fanamarinam-piraketana.
Sary DRICC