Grand pavois mahajanga : Ambenana tsy hisy haka ny henan’ilay trozona maty tany an-dranomasina

Ny zandary no miambina ilay trozona mba tsy hisy haka ny nofony hamidy na hohanina na koa hakana menaka. Mety ahitan-doza toy ny fanapoizinana na fahafatesana mihitsy mantsy izany. Omaly Zoma 09 Septambra 2022 tamin’ny 05 Ora maraina moa no nisy nahita teny amin’ny tora-pasiky ny Grand pavois io trozona io. Efa maty avy any anaty ranomasina any ilay izy ary efa tsy teo aminy intsony ny lohany. Efa simba ihany koa no sady efa misy fofona.
Araky ny fanapahan-kevitry ny avy amin’ny Sampan-draharaham-paritry ny Jono sy ny avy ao amin’ny Tontolo iainana dia ho alevina ilay trozona. Tadiavina kosa anefa ny fomba hanamorana ny fitaterana ilay fatim-biby.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...