Haitrano tany mahanoro:Nanolotra vary ho voin-kava mahatratra ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Nanolo-tanana ireo niharam-boina noho ny haitrano tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy. Vary Tsinjo 2 taonina no nomena azy ireo tao amin’ny fokontany Niarovana, kaominina Ambodiharina sy tao amin’ny tanàna Tanambaobesetra, fokontany Ambalakondro, kaominina Ambodibonara androany Alatsinainy 26 Septambra 2022. Nanolotra izany tany an-toerana ny Talem-paritra (DRICC) Atsinanana. Nandray ny fanomezana, teo anatrehan’ny Lehiben’ny distrika, ny Solombavambahoaka voafidy tao Mahanoro izay nampitondra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Minisitra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...