Hamerenana ny vokatra tantely amin’ny kalitao tsara
Hamerina indray ny fizarana ny vokatra tantely malagasy tsara kalitao toy ny toeran’ny sôkôla, ny lavanila ary ny « caviar ». Izany indrindra ny tanjona apetraky ny orinasa SSM izay nisolo tenan’i Madagasikara tamin’ny hetsika Apimondia, hetsika lehibe indrindra natokana ho an’ny fiompiana tantely, tany Canada ny volana lasa teo. Raha tsiahivina ny SSM na « Senteurs et Saveurs du Monde, no mpamokatra tantely « semi-industrielle » voalohany nanao tolokevitra hamokatra tantely mivezivezy mba hitazomana kalitao mendrika manomboka ny fijinjana ka hatramin’ny fizarana ny vokatra eo anivon’ny iraisam-pirenena. Raha ny tantara no jerena dia nanondrana eo amin’ny vokatra tantely 30.000 taonina mahery eo Madagasikara nandritra ny taon-jato lasa. Ny fandaharana mikasika ny indostria isam-paritra napetraky ny MICA dia mikendry ny hanondranana 50 000 taonina ao anatin’ny 5 taona. Ho an’ny SSM manokana, dia mitohy hatrany ny fisolony tena an’i Madagasikara mandritra ireo hetsika iraisam-pirenena, isan’izany ny hetsika iray any Belzika amin’ny volana Novambra ho avy izao.