Hampidina ny vidin’entana nafarana ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina

 

90% ny entana miditra eto Madagasikara no miditra amin’ity seran-tsambon’i Toamasina ity. Misedra fahatarana anefa ny fampidirana ireo entana noho ny fahateren’ny toerana, ka lasa voasazy tsy fidiny ny mpanafatra entana. Isan’ny antony mitarika amin’ny fiakaran’ny vidin’entana io fandaniana fanampiny zakain’ny mpanafatra ao amin’ny seranan-tsambo io. Vahaolana goavana izao fanitarana ny seranan-tsambo izao ary hampidina avy hatrany ireo vidin’entana satria hihena ny masonkarenan’ireo mpandraharaha amin’ny fanafarana.

Hitombo avo telo heny ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny seranana ao Toamasina vokatry ny fanitarana. Hanomboka tsy ho ela ny dingana faharoa amin’ny fanamboarana.

Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy ho vitaina mialohan’ny taona 2023 ihany koa ireo orinasa mpanao simenitra sy siramamy ao Toamasina.

Sary Présidence de la République de Madagascar

Vous aimerez aussi...