Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny fandraharahana: Manohy ny fifampizarana amin’ny tanora momba ny tontolon’ny fandraharahana ny DPE

Raha manomboka anio 14 Novambra 2022 ny Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny fandraharahana dia efa nisy sahady ny hetsika ho fanamarihana izany ny Zoma lasa teo. Tetsy amin’ny Le Centell Antanimena ny avy amin’ny DPE eto amin’ny MICC no nifampizara tamin’ireo tanora ny mahakasika ny famporoboroboana ny kaoperativa, ny fampiroboroboana ny fandraharahana ho an’ny vehivavy sy ny tanora ary ny Taninketsa Indostrialy. « Be to Be Keynote » nokarakarain’ny CEERE (Club des étudiants entrepreneurs, Rendez-vous des entrepreneurs) moa izy ity.
Eny amin’ny CCIA Antaninarenina no hanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny fankalazana anio folakandro. Anatin’ny fandaharam-potoanan’ny DPE ny fihaonana amin’ireo mpianatra etsy amin’ny LMA sy LTC Ampefiloha hanentanany momba ny kolotsaina maha-mpandraharaha.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...