«Hetsika hanomezana lanja sy sehatra ireo vehivavy mpandraharaha» : Manohana sy mitan-tsoroka ary manampy ara-teknika ireo mpandraharaha ny MICC

Manohana sy mitan-tsoroka ary manampy ara-teknika ireo mpandraharaha ny MICC

Eo ambany fiahian’ny MICC ny hetsika andiany voalohany natokana sy manome lanja ireo vehivavy mpandraharaha tontosaina etsy amin’ny Novotel manomboka androany 17 marsa ka hifanarana ny 19 marsa ho avy izao.

Lohahevitra mifanaraka amin’ny fanamby araka ny toetr’andro iainan’ny vehivavy mpandraharaha no noraisina amin’ity andiany voalohany ity ary manome lanja ny fampandrosoana ara-toekarena ny orinasa sahan’ireo vehivavy Malagasy. Hahitana mpandray anjara manodidina ny 50 isa sy trano eva ity hetsika ity ka ny 90%n’izany dia vehivavy avy amin’ny lafy valon’ny Nosy avokoa miampy ny avy amin’ny Nosy rahavavy eto amin’ny Ranomasimbe Indianina. Maro ny valan-dresaka, ny fifanakalozona ary ny atrik’asa hifandimby mandritra ny telo andro handinihana ireo vahaolana sedrain’ny vehivavy mpandraharaha.

Maneho hatrany ny fahavononany ny MICC eo amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny vehivavy izay mitondra famoronan’asa ho an’ny mponina.

Vous aimerez aussi...