Hetsika iraisam-pirenena momba ny fampisakafoana sy fandraisam-bahiny (SIRHA): Nentina niakatra sehatra avo nanintonana ireo mpampiasa vola ny kakao malagasy
Nandray anjara feno tamin’ny SIRHA (Salon international de la restauration et de l’hôtellerie) i Madagasikara ka nitazona ny tranoeva « Madagascar Truly Authentic ». Tany Lyon, Frantsa moa no nanatanterahana ny hetsika ny 19 ka hatramin’ny 23 Janoary 2023.
Tanjona tamin’izany ny ho fampandrosoana ireo seha-pihariana mampiavaka an’i Madagasikara toy ny kakao, ny lavanila, ny jirofo, ny “caviar”, ny seha-pambolena samihafa, ny fizahantany amin’ny fanintonana ireo mpampiasa vola ka hahafahana misehatra amin’ny tsenam-barotra lehibe kokoa. Fanohanana avy amin’ny Ministera misahana ny Varotra (MICC), ny Ministera misahana ny Fambolena, ny Filankevi-pirenen’ny Kakao izay ny Ministra misahana ny Varotra no filohany, ny Fivondronan’ny Mpisehatra amin’ny kakao, ny sehatra tsy miankina, ny PIC (Pôle Intégré de Croissance), ny EDBM no nahafahana mandray anjara tamin’izany. Mahavelombolo satria betsaka ny nitsidika sy liana amin’ny vokatra malagasy nanomboka omaly.
Manatombo i Madagasikara tamin’izao hetsika izao satria fanta-daza maneran-tany ny kakao malagasy, manana ny kalitao tsara indrindra “cacao fin”, nahazoany loka ho isan’ny kakao tsara indrindra eran-tany tamin’ny taona 2021. Voasafidin’ireo firenen-drehetra handray ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny kakao amin’ny volana Jona 2023 koa i Madagasikara.
Sary DCE