HIKARAKARA HATRANY NY FIAINAM-BAHOAKA NY MICC

Hamerina ny fitokisana ireo kaomisera sy mpanaramaso ara-barotra

Manaraka ny fivoaran’ny vidin’entana isan’andro ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Azo lazaina fa misy fitoniana ny vidin’entana. Voatazona ny vidiny araka ny tokony ho izy napetraky ny ministera.
Hanohizana ny asa dia handeha eny an-tsena ireo kaomisera sy mpanara-maso ny vidin’entana. Tsy tahaka ny mahazatra hatramin’izay ny asa ho ataon’izy ireo eo amin’ny fisavana faktiora satria miteraka kolikoly lalina tsy mampandroso izany.
Rehefa hidina eny an-tsena izy ireo dia hanatanteraka fanarahamaso madio sy mazava raha vao mahatsikaritra fiakaran’ny vidin’entana ary hanaraka avy hatrany ny anton’izany.
Ireo no votoanton-kevitra lehibe nentin’ny ministra Edgard Razafindravahy androany Talata 28 septambra 2021, nandritra ny tafa fohy niarahany tamin’ny mpanao gazety, mialoha ny hanirahana an’ireo kaomisera sy mpanara-maso ara-barotra hidina eny an-tsena.
Miisa 477 izy ireo no manaramaso ny tsena manerana ny Nosy.

——————————

Le bien-être de la population au coeur des actions du MICC
Les commissaires et contrôleurs du commerce placent le regain de confiance des consommateurs parmi leurs priorités.

Le MICC s’engage à suivre de près l’évolution des prix du PPN sur le marché. A l’heure actuelle, on peut affirmer la stabilisation des prix et les prix de référence posés par le ministère sont maintenues. Pour une continuité fructueuse, les commissaires et contrôleurs du commerce effectueront des descentes sur le marché. Une autre méthode de travail a été annoncée par le Ministre Edgard Razafindravahy afin d’éviter toute sorte de corruption. Un contrôle et suivi dans la transparence se feront. Une investigation sera entreprise dès constatation d’une quelconque hausse de prix non justifiée.

Ces points ont été soulignés par le Ministre de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation ce 28 septembre lors d’un point de presse à Ambohidahy. Après le point de presse, les agents de contrôle du commerce se sont rendus auprès des marchés pour effectuer leurs missions. A noter que les 477 commissaires et contrôleurs du commerce seront répartis dans toute l’Ile pour assurer le bien-être des consommateurs.

Vous aimerez aussi...