Indostria: mandeha tsara ny milina ka afaka mamokatra menaka ny Orinasa DMC any Mahajanga

Vita ny andrana teknika amin’ny fanadiovana menaka ao amin’ny orinasa DMC any Mahajanga. Ny Talata 17 Janoary 2023 no nivoaka ny menaka voalohany. Ny alakamisy 19 Janoary 2023 kosa dia voaodina avokoa ireo menaka mandry 650 T natokana ho akora fototra.
Mbola motera mpiteraka angovo (groupe électrogène) anefa no mampandeha ny orinasa satria tsy mahatosika ny herin’aratra avy amin’ny JIRAMA.
Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny orinasa DMC ny ekipan’ny DRICC Boeny ny 19 Janoary 2023.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...