Indostria: Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy ireo Inspektera Indostrialy.
Manana olona sahaza amin’ny fampandrosoana ny indostria ny firenentsika, ary tena ilain’ny Tanindrazantsika izany, hoy ny Ministra Edgard Razafindravahy raha nandray ireo Inspektera Indostrialy androany 25 aprily 2022.
Miisa 20 ny Inspektera indostrialy eo anivon’ny MICC ankehitriny. Vonona izy ireo hiasa sy hanatanteraka ny Taninketsa Indostrialy (ZPI).
Mandamina ny fitsipi-pifehezana ny sehatry ny indostria, sy manampy amin’ny fampiroboroboana ny indostria no asan’ny Inspektera indostrialy. Nanao fianianana ary voasokajy ho OPJ izy ireo.
Lehibe dia lehibe tokoa ny asa miandry ny « Inspecteurs Industriels », hoy ny Minisitra, satria ambany loatra ny isan’ny indostria malagasy, ary izany no mahatonga ny firenena tsy mandroso. Tsy misy intsony ny olona manana fisainana te hanangana indostria. Mila ampidirina amin’ny zanaka Malagasy izany toe-tsaina izany. Ny hanirian’ny Taninketsa Indostrialy no tena ezahantsika.
Taninketsa Indostrialy iray mira fandresena iray, hoy hatrany ny ministra. Hisy indostria madinika maro ho apetraka, toy ny famokarana menaka, voatabia voahodina, ovy voahendy (chips) sy ny sisa.