Ireo fepetra 10 takiana amin’ny mpandraharaha mpanondrana lavanila
Ahitana teboka 10 ny taratasy fanekena (« lettre d’engagement ») nosoniavin’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila.Tsy maintsy hajainy izany, na ao amin’ny sokajin’ny « artisan » no misy azy na sokajin’ny « industriel ». Toy izao avy ny momba ireo fepetra ireo :
1) Fepetra manokana miankina amin’ny sokajy misy ny mpandraharaha sy ny habetsahan’ny vokatra aondrany
2) Fanajana ny vidy tsy latsaky ny 75000Ar isa-kilao ho an’ny lavanila maitso, 500000Ar ho an’ny lavanila voaomana ary 250 Dolara FOB eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
3) Fampodiana ny vola vahiny azo avy amin’ny fanondranana lavanila
4) Fanajana ny fenitra sy kalitao ampiharina amin’ny lavanila avy eto Madagasikara
5) Fandoavan-ketra araka ny lalàna
6) Tsy fanekena ny fakana vola (“rétrocession” na “commission”) tafahoatra miverina amin’ireo mpividy any ivelany
7) Fanekena hanaja ny fitsipi-pitondrana « Charte éthique de la vanille »
8 ) Fanekena hanefa ny latsakemboka sy fandraisana anjara amin’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila na CNV
9) Fanekena hanaja ny vidy tsy latsaky ny 250 Dolara FOB ho an’ireo vokatra voaodina sy avy amin’ny lavanila
10) Sazy manoloana ny tsy fanajana ny fepetra sy ny hosoka amin’ny antontan-taratasy.