ITASY:Nidina nanao fisafoana teny an-tsena ny DRICC
Tsy nahitana fahasimbana goavana ny tany amin’ny faritra Itasy. Izay no vokatry ny tombana nataon’ny CCO Itasy izay nanatanteraka fivoriana nijerena ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai omaly alahady 06 febroary 2022. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Fitaleavam-paritra (DRICC) izay nanao fisafoana avy hatrany teny an-tsena. Tsy nisy endrika fanararaotana ny vidin’entana ilaina andavanandro fa marin-toerana avokoa raha oharina amin’ny tamin’ny herinandro lasa. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mpivarotra mikasika ny fepetra ara-barotra sy fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana rehetra nataon’ny DRICC Itasy.