JIR 2020

Nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an’ny Faritra 2020 teto amin’ny faritra Analamanga na ny JIR 2020 dia nisy ny famelabelarana narahina ady hevitra nandraisan’ny MICA anjara ka ny Tale misahana ny foibem-pitondranan’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asatanana eto amin’ny faritra Analamanga (DRICA Analamanga) sy ny Tale misahana ny fanandratana ny indostria (DEI) no nanatanteraka izany. Ny famelabelarana dia niompana tanteraka tamin’ny fivoaran’ny sehatry ny indostria isam-paritra sy ny sanda hary ary ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ateraky ny indostria. Nisy ihany koa fampizarana mikasika ny andraikitra fototry ny DRICA eto Analamanga manoloana ny fampandrosoana sy ny fanohanana ireo indostria samihafa.

Vous aimerez aussi...