Kolontsaina fandraharahana eo amin’ny tanora: Mpisehatra voalohany amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ny tanora
Mpianatra miisa 65 ao amin’ny sekoly tsy miankina “La Primpenelle” etsy Andoharanofotsy indray no nisitraka ny fanentanana sy fifampizarana notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria, Gaëtan Ramindo, eto amin’ny MICC. Liana tanteraka amin’ny tontolon’ny fandraharahana ireo mpianatra ireo nandritra ity fihaonana notontosaina omaly 06 Desambra 2022 ity. Araka izany dia navitrika tokoa tamin’ny fifanakalozana natao niaraka tamin’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE).
Nanamafy moa ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria fa vonona hatrany ny Minisitera hanome torolalàna ireo tanora amin’ny firosoana amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Sary DPE