Madagasikara – Royaume Uni

Nidinika fiaraha-miasa amin’ny britanika ny Minisitra Edgard Razafindravahy
Tsy afaka hiandry ny varim-bazaha na ny menaka avy any ivelany ny malagasy fa mila ozinina hanodinana ny vokatra eto an-toerana hiatrehanana ny zava-misy. Naneho ny faniriany hiara-hiasa amin’ny britanika ny Minisitra Edgard Razafindravahy ahafahana mahazo milina madinika toy ny fanodinana tantely, menaka, fitotoam-bary.
Nivoitra izany androany 12 Aogositra 2022 nandritra ny fandraisan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) ny Ambasadaoron’ny Royaume-Uni David William Ashley tetsy Ambohidahy.
Momba ny varotra ivelany dia misokatra ho an’i Madagasikara ny tsena britanika. Nambaran’ity diplomaty ity fa hitondra tombontsoa ho antsika ny politika ara-barotra britanika vaovao izay ho ambara amin’ny herinandro ambony io. Tafakatra 24 tapitrisa Livres Sterling ny vola azo tamin’ny fanondranana lamba vita teto Madagasikara mankany Royaume-Uni tamin’ny taon-dasa raha 2 tapitrisa Livres Sterling ny lavanila.
Fanirian’ny britanika ny hamerenana indray ny Antenimieran’ny Varotra Madagasikara-Grande Bretagne hisarihana ireo orinasa britanika hampiasa vola eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...