Mahitsy, tsenan’i soamanatombo sy mahamasina:Manentana ny mpivarotra hanaja ny lalàna sy ny fitsipiky ny asany ny mpanara-maso avy amin’ny MICC
Nitety an’ireo mpivarotra mpamongady sy mpaninjara ny entana ilaina andavanandro any amin’ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo ny ekipan’ny DRICC Analamanga omaly Talata 25 Oktobra. Nampahatsiahivina azy ireo ny tokony hanajany ny lalàna mifehy ny varotra. Hitohy amin’ny « Andro iray hanentanana sy hanabeazana ny daholobe » misehatra amin’ny raharam-barotra any amin’ny kaominina Mahitsy ny hetsika.
Ny tsena’i Soamanatombo sy Mahamasina eto an-drenivohitra kosa no notsirihan’ny mpanara-maso avy amin’ny DPC ny Alatsinainy 24 Oktobra 2022. Nanoloana ny fahatratrarana ronono mandry amin’ny boaty efa misy fahasimbana teny an-toerana dia nampahafantarina ny mpivarotra ny fepetra tokony ho raisiny. Esorina avy hatrany eny talantalana ireo entana simba.
Nentanina foana moa ireo mpivarotra mba hametraka ny vidin’entana sy hitahiry ny faktiora nividianany ny entana ho amidiny.
Sary DRICC sy DPC