“Maison de la Vanille” Antalaha

 

 
Namaha ny olan’ny lavanila tao Antalaha ny filoha Rajoelina
Nitohy tany Antalaha indray ny dian’ny filoha mivady ny faran’ny herinandro teo, ka nihaonany manokana amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny lavanila. Voasolo tena avokoa ny mpamboly, ny mpanodina sy mpikirakiran’ny vokatra ary ny mpanondrana. Ren’ny filoha ny fitarainan’izy ireo noho ny vidin’ny lavanila nitotongana vokatry ny aretina covid-19. « Tsy irery ianareo miatrika ny olan’ny vidina lavanila. Marary amin’ny firenena ihany koa ny marary amin’ny mpandraharaha ny sehatry ny lavanila. Ambony indrindra ny vidin’ny lavanila teto Madagasikara tamin’ny 2019. Tafiakatra hatrany amin’ny 220.000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso raha toa ka 5000 Ar izany ny taona 2005 », hoy izy.
Hapetraka ny paikady
Nanteriny nefa fa nanomboka niakatra ny vidina lavanila saingy nitotongana tampoka izany noho ny aretina Covid-19. Vitsy ny tinady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka antony nampidina ny vidin’ny lavanila izany. Hamorain’ny mpividy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa ny lavanila, noho io toe-java-misy io araka ny nambarany. « Tsy maintsy hapetraka ny paikady hahafahana mampiakatra sy mitazona ny vidin’ny lavanila ho ambony. Tsy ekena intsony ny fidinan’ny vidina lavanila. Anisan’ny paikady ny fampitomboana ny fampiofanana sy ny fanatsarana ho matihanina kokoa ny seha-pihariana. Hamafisina ihany koa ny fiarovana ny lavanila miainga eny ifotony », hoy ny filoha. Nohamafisin’ny filoha fa ain’ny toe-karenan’i Madagasikara ny lavanila ary anisan’ny mampiditra vola vahiny betsaka indrindra. Manoloana izany, napetraka ao Antalaha ny Tranoben’ny lavanila « Maison de la Vanille ». Notanterahina tamin’izany ny lanonana fametrahana ny vato fototra mariky ny fiatombohan’ny asa. Fotodrafitrasa goavana sy manara-penitra hatsangana amin’ny velaran-tany mirefy 3200 m2 izany. Mirefy hatrany amin’ny 560 m2 kosa ny fotodrafitrasa rehefa mitsangana. Natao ho toerana hanaovana fikarohana, fitiliana sy fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny lavanila, hany voalahany manerantany ny Tranoben’ny lavanila, araka ny nambaran’ny filoha.
Fitokanana ny Tranoben’ny lavanila
Hisy koa ny « serre » ao anatin’ny Tranobe sy ny « musée de la vanille ». Nambaran’ny filoha fa tsy maintsy handalo fitiliana ao avokoa ny vokatra mialoha ny fanondranana azy. « Handray ny filankevim-pirenena momba ny lavanila koa ity fotodrafitrasa ity rehefa hitsangana, ary hamaritra ny paikady rehetra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny lavanila. Efa vonona ihany koa ireo mpandraharaha iraisam-pirenena amin’ny lavanila hanatrika ny fihaonambe iraisampirenena momba ny lavanila amin’ny taona ho avy ho fanamarihana ny fitokanana ny Tranoben’ny Lavanila ao Antalaha », hoy ihany ny filoha.
Etsy andaniny, hojerena manokana ny lafiny lalàna, sy ny ara-pitsarana ary ny dina amin’ireo tratra mangalatra lavanila sy ireo mividy lavanila halatra.
Famerenana ny vola vahinin’ireo mpandraharaha
Noresahiny manokana ny fametrahana ny marika manokana amin’ny lavanila hahafantarana ny tompony sy hisorohana ny halatra. « Hisy ny fanaraha-maso ny famerenana ny vola vahinin’ireo mpandraharaha amin’ny fivarotana lavanila, tokony averina eto Madagasikara, ho fampiroboroboana ny toe-karena sy ny harin-karena », hoy ihany izy. Dinika savaranonando izao fa mbola hisy ny fihaonana manokana amin’ny mpisehatry ny lavanila hataon’ny filoha ankoatry ity fihaonana ity. Namarana ny dian’ny filoha mivady tao Antalaha ny fizarany ny Vatsy tsinjo sy ny « Hazavana ho an’ny rehetra », jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Source : Focus On Mada

Vous aimerez aussi...