Manamahefa-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC): Ho apetraka tsy ho ela ny fepetra fanitsiana ara-barotra eo amin’ny fanafarana loko eto Madagasikara

Tontosa ny 17 Janoary 2023 lasa teo tetsy amin’ny biraon’ny ANMCC izay rafitra eo ambany fiahian’ny MICC, ny fihaonan’ireo mpisehatra voakasiky ny fanadihadiana (Audition publique) eo amin’ny fanafarana ny loko eto Madagasikara. Nanomboka ny 01 Jona 2022 moa izany fanadihadiana izany ary naharitra 9 volana. Ity fihaonana tamin’ireo voakasika sy mpiara-miombon’antoka toy ny mpamokatra loko, ny mpanafatra entana ary ny solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay famaranana ny dingana amin’izany fanadihadiana izany dia nihainoana ireo mpiara-miombon’antoka namaritana sahady ny ho fanapahan-kevitra eo amin’ny firosoana amin’ny fametrahana ny fepetra hiarovana ny tsena amin’ny alalan’ny fandalinana ireo atontan-kevitra voaray eo anivon’ny ANMCC.

Manana hatramin’ny rahampitso 24 Janoary 2023 ireo mpisehatra rehetra etsy ambony hametrahana sy hanaterana ny atontan-kevitra fanampiny sy ny toeran’izy ireo mikasika ny tsenan’ny loko eto Madagasikara. Aorian’io fe-potoana io kosa no hamaritan’ny ANMCC ireo fepetra fanitsiana hatao eo amin’ny sehatry ny tsenan’ny loko.

Sary ANMCC

 

Vous aimerez aussi...