MEO mini sucrerie ao Ambalakida, faritr’i Boeny
Hanome asa 400 any ho any ny orinasa mamokatra siramamy, MEO mini sucrerie ao Ambalakida, faritr’i Boeny. Hisy ny fanandramana farany amin’ny milina indostrialy. Miara-miasa amin’ny mpamokatra fary mivondrona ao anaty koperativa roa ny orinasa. Miandrandra fatratra ny fisokafany ny mponina ifotony. Hanampy betsaka ny fihariana ny fametrahana taniketsa indostrialy. Anisan’ny tanjon’ny MICC ny orinasa iray isaky ny distrika. (Sary DRICC Boeny)