MICC-EDBM : Hanamafy ny fiarahamiasa

Tonga nitsidika ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana an’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar), Ramatoa Lisiniaina Razafindrakoto. Nampahafantatra ny andraikitra maro sahan’ny EDBM izy ary nangataka fanampiana avy amin’ny MICC.
Maro ireo olana sedrain’ny sehatra tsy miankina, na amin’ny fananganana orinasa, na amin’ny fandraharahana ankapobeny. Vonona hatrany ny Ministra Edgard Razafindravahy hitondra ny vahaolana haingana amin’ny alalan’ny fifampidinihan’ny fanjakana sy ny tsy miankina amin’ireto teboka voalaza ireto:
Eo amin’ny sehatra fandraharahana:
– Fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny fametrahana ny mangarahara momba ny fikarakarana antotan-taratasy, ny fampahafantarana ny lalan’ny dosie, ny fitsipika tsy maintsy arahana raha maniry hahazo valiny mahafa-po, ary ny fe-potoana hahazoana ny valiny.
Tokony hiseho amin’ny tranokalan’ny ministera tsirairay avy ireo zotra aleha rehetra, hankatoavina ary hajain’ny fanjakana.
– Fanavaozana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola, tokony haroso eo anivon’ny filankevitry ny governemanta. Zava-dehibe io lalàna io ho an’ny mpampiasa vola.
– Fangatahan’ny EDBM ny fanamorana ny fifampiresahana amin’ny ministera hafa. Anisan’izany ny ministeran’ ny Fanajariana ny tany, ny ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ary ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana.
Ilaina ny fampiasam-bola eto an-toerana hoy ny ministra Edgard Razafindravahy. Mila fanampiana izy ireo. Ankoatra ireo efa niasa ho an’ny Firenena hatramin’izay dia mila tompona indostria vaovao hatrany ny fampandrosoana.

Vous aimerez aussi...