Minisiteran’ny Fampiroboroboana Ny Indostria, Ny Varotra Sy Ny Fanjifana (MICC): Fanohizana ny asa rehetra natao tamin’ny taon-dasa no toromariky ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny mpiara-miasa aminy.

“Mbola vonona ny tenako hanohy ireo asa rehetra natao tamin’ny taona lasa. Miantso koa anefa anareo mpiara-miasa rehetra hanatanteraka ny asa an-tsakany sy andavany. Asa mitondra fahombiazana no andrasana amintsika amin’ity taona ity, araka ny hafatry ny Filoham-pirenena amin’ny hoe « taom-pandresena ». Hisy fiantraikany tokoa ho an’ny Firenena ny asa atao. Asa atao am-pahamarinana, ho lavitra ny mpiara-miasa rehetra ato amin’ny MICC ny halatra sy ny kolikoly”. Tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany androany Alatsinainy 09 Janoary 2023 nandritra ny fananganan-tsaina voalohany tamin’ity taona 2023 ity tetsy Ambohidahy.

Tsy tokony hadinoina, hoy ihany ny Minisitra, fa andraikitra momba ny fiainana andavan’andron’ny mponina no sahanintsika. Misy varotra mandeha isan’andro, misy orinasa sy indostria arahi-maso isan’andro, misy orinasa tokony hitsangana izay tsy vitan’ny manome asa ny mpiara-belona fa ahafahana mampidina ny fanafarantsika entana any ivelany amin’ny famokarana eto an-toerana. Ary zava-dehibe amin’ny asa ataon’ny minisitera ny fiarovana ny mpanjifa.

Fanao amin’ny fotoana toy izao ny jery todika amin’ny zava-bita teo aloha. Anisan’izany ny fanadiovana nentina tamin’ireo vokatra ahondrana any ivelany : ny lavanila, ny jirofo, ny kakao.

Orinasa sy indostria 50 eo ho eo koa no tafatsangana tamin’ny taona lasa : famokarana siramamy, menaka, simenitra sy ny sisa.

“Ekena fa manahirana ny vahoaka ny fisondrotr’ireo entana ilaina andavanandro, indrindra fa miditra maitso ahitra isika ka miakatra ny vidin’ny vary gasy sy ny makaolika eto an-toerana. Efa nolazaiko fa tsy azo ampidirina lava amin’ny fatiantoka ny tantsaha. Raha atao ny kajikajy, tsy tokony ho latsaky ny 1800 ariary/kilao ny vary akotry. Tsikaritra anefa fa misy ny mpanararaotra. Manara-maso an’izany isan’andro ny eto amin’ny minisitera ary midina mihitsy eny ifotony”, hoy ny Minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana.

Tsy misy afa-tsy ny fampitomboana ny famokarana, fanamboarana ny lalana hivoahan’ny vokatra araka ny tokony ho izy ary ny fanaraha-maso izay andraikitra manandrify ny minisitera ao anatin’ny fanajana ny fahalalahan’ny tsena ihany no vahaolana, hoy izy. Ny vary afaran’ny SPM sy ireo mpandraharaha hafa dia natao itsinjovana ny fahefa-mividy.

Talohan’izany moa ny Sekretera jeneralin’ny MICC dia nanambara fa hiverina hidina hanao fanaraha-maso ara-toekarena eny an-tsena sy eny amin’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny ny Kaomiseran’ny varotra sy ny fifaninanana sy ireo mpanara-maso miara-miasa aminy rehefa nahantona nandritra ny volana maromaro izany.

Vous aimerez aussi...