Miombona alahelo amin’ireo traboina ny Minisitry ny MICC

Mankahery sy mampitraka hatrany ny Vahoaka Malagasy manoloana ny voina mianjady amin’ny Firenena ankehitriny, noho ny rotsak’orana misesy sy ny fahavoazana naterak’izany amin’ny faritra maro.
Miombona alahelo amin’ireo mana-manjo ny tenako sy ny mpiaramiasa rehetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Mankahery ireo traboina, mandray ny andraikiny amin’ny fikarakarana ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
Misy ny ahiahy sy ny tebiteby noho ny fahasimban’ny fotodrafitr’asa maromaro ivezivezen’ny vokatra sy ny fahatapahan-dàlana mety hanano-sarotra amin’ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro PPN. Mety hisy fanararaotana koa ny fotoana manahirana tahaka izao.
Mitady ny vahaolana rehetra tsy haha tapaka ny famatsiana ny minisitera, indrindra fa ny vary sy ireo entana ilaina andavanandro na eo aza ireo olana voatanisako ireo. Hanome hatrany ny vaovao tsara ho fantatra ho an’ny mpanjifa.
Ampy ny tahirim-bary eto an-toerana. Torak’izany, tsy mitsahatra ny fanaparitahana vary Tsinjo any amin’ny faritra, indrindra fa ireo faritra traboina izay anatanterahana ezaka manokana. Mijery sy manaramaso isan’andro ny fizotry ny tsena ny tompon’andraikitra eto amin’ny minisitera.
Miantso antsika hifampitsinjo tsy hifanararaotra hijery sy hanampy an’ireo mpiray Tanindrazana amintsika.

Vous aimerez aussi...