Moramanga: mpamokatra vary, voanjo sy voamaina isan-karazany nivondrona anaty kaoperativa

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRICC Alaotra Mangoro sy ny CI (Conservation Internationale) mahakasika ny fanohanana sy fampiroboroboana ny Kaoperativa.

Tafatsangana tamin’ny herinandro lasa teo, tao Fierenana Kaominina Fierenana any amin’ny Distrika Moramanga, ny Kaoperativa TANTSAHA MIHARY (KTM) misehatra amin’ny famokarana vary, voanjo sy voamaina isankarazany. Ahitana mpikambana 32 ny Kaoperativa ka ny 17 amin’ireo dia vehivavy ary ny 15 kosa dia lehilahy.

Ankoatran’ny fananganana ara-panjakana dia nisitraka fiofanana momba ny lalàna mifehy, ny fiainam-pikambanana, ny fahaiza-mitarika sy mitantana avy amin’ny ekipan’ny DRICC ity kaoperativa vao natsangana ity.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...