MORAMANGA:Nohamafisina ny fanaraha-maso ny Tsena Mora

Nitsidika ireo fokontany ahitana Tsena Mora ny ekipan’ny DRICC Alaotra Mangoro nanara-maso ireo entana amidy eny amin’ny Tsena Mora ao Moramanga. Nitondra fandaminana eo amin’ny fisokafan’ny Tsena Mora ihany koa izy ireo niaraka tamin’ny iraka avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny mpandrindra ny Tsena Mora ary ny Lehiben’ny Distrika.
Hafatry ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Tsena Mora ny tsy hanekena ny halatra sy kolikoly mikasika ity tsenam-bahoaka ity.
Marihina fa Tsena Mora iray isaky ny fokontany no misokatra ary Vary Tsinjo 30 gony avy no hamatsiana ireo Tsena Mora ireo. Tsy azon’ny mpandrindra sy tompon’andraikitra ao amin’ny Tsena Mora ihany koa ny mividy entana ao amin’ny toerana hiadidiany.
Nanao fanamarinana sy fampitahana teo amin’ny entana efa lafo sy ny tahiry tavela ireo mpanara-maso ara-barotra. 270 gony amin’ny Vary Tsinjo ny tahiry ao Moramanga araka izany.
Tsy nahitana endrika sy tranga fangalarana sy kolikoly ny fitsinjarana ireo Vary Tsinjo teny an-toerana.

Vous aimerez aussi...