Namarana ny fanomezana tolo-tanana nandritra ity herinandro ity ny orinasa Girafe sy SECREN
Tonga tety amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana nanatitra ny anjara birikiny ho an’ireo traboina androany 29 janoary 2022 ny orinasa Girafe sy SECREN. Naterina avy hatrany teny amin’ny Foiben’ny BNGRC Antanimora ireo fanampiana ireo.
Orinasa Girafe : “balles friperies” miisa 20 ahitana lamba firakotra, akanjon’ankizy sy lehibe.
SECREN: lelavola mitentina 1.500.000ariary
Misongadina ny firaisankina nasehon’ny sehatra tsy miankina taorian’ny antso nataon’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ho fanampiana ireo mpiara-belona traboina eto amin’ny firenena.